Mark 7

1Ireo fariseo sy ny mpanoradalana sasany izay avy any Jerosalema dia tonga niangona nanodidina Azy.

2Ary hitan’izy ireo ny mpianany sasany nihinana mofo tamin’ny tanana tsy voadio, izany hoe, tsy voasasa. 3(Fa ny Fariseo sy ny Jiosy rehetra dia tsy mba mihinana raha tsy efa nanasa ny tanan’izy ireo, satria manaraka ny fombafomban’ireo loholona.) 4Ary rehefa miverina avy any an-tsena ireo Fariseo, dia tsy mihinana izy ireo raha tsy avy mandro, ary mitandrina fomba maro hafa fatratra izy ireo, tahaka ny fanasana ny kapoaka, sy ny famarana, sy fanaka varahina, ary ny fandriana izay ihinanan’izy ireo.)

5Ireo Fariseo sy ny mpanoradalana nanontany an’ny Jesosy hoe: “Nahoana ny mpianatrao no tsy mandeha araka ny fombafomban’ireo loholona, fa mihinana ny mofon’izy ireo amin’ny tanana tsy voasasa?”

6Nefa hoy Izy tamin’izy ireo: “Isaia naminany tsara momba anareo mpihatsaravelatsihy. Nosoratany hoe: ‘Ity vahoaka ity manaja Ahy amin’ ny molony, fa ny fony kosa lavitra Ahy. 7Foana ny fivavahana atolotr’izy ireo Ahy, raha mampianatra ny fitsipik’olombelona ho fampianaran’izy ireo.’

8Afoinareo ny didin’Andriamanitra ka hazoninareo mafy ny fomban’ny olona.” 9Ary hoy ihany koa Izy tamin’izy ireo: “Tahaka ny ahoana ny fanarinareo ny didin’ Andriamanitra mba hitandremanareo ny fomban-drazanareo! 10Fa hoy Mosesy: ‘Manajà ny rainao sy ny reninao,’ ary koa, ‘Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia ho faty tokoa.’

11Kanefa ianareo miteny hoe: ‘Raha misy lehilahy iray miteny ny rainy na ny reniny hoe: “Na inona na inona tianao ho azo tamiko dia efa Korbana,”’ ( izany hoe: ‘Nomena an‘Andriamanitra’) -- 12dia tsy avelanareo hanao na inona na inona amin’ny rainy sy ny reniny intsony izy. 13Manafoana ny tenin’ Andriamanitra ianareo noho ny fomban-drazanareo izay notananareo. Ary zavatra maro mitovy amin’izany koa no ataonareo.”

14Ary niantso ny vahoaka indray Izy ka niteny tamin’izy ireo hoe: “Mihainoa Ahy, ianareo rehetra, ka fantaro. 15Tsy misy zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin’ny olona ka afaka mahaloto azy rehefa miditra ao aminy. Fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy.” 16[Ny fandikana tsara indrindra dia tsy manisy ny andininy faha 16: Raha misy manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino.]

17Ary rehefa niala teo amin’ny vahoaka Jesosy ka niditra tao an-trano, ny mpianany nanontany Azy momba ilay fanoharana. 18Hoy Jesosy taminy: “Ianareo koa ve mbola tsy manana fahalalana? Tsy hitanareo ve fa izay rehetra miditra ao anatin’ny olona avy any ivelany dia tsy mahaloto azy, 19satria tsy afa-miditra ao am-pony izany, fa ao an-kibony ihany ka mivoaka any amin’ny fivoahana?” Tamin’izany fanambarana izany dia nahatonga ny hanina rehetra ho madio i Jesosy.

20Hoy Izy: “Izay mivoaka avy ao amin’ny olona no mahaloto azy. 21Fa avy ao anatin’ny olona, avy ao am-pony, no ivoahan’ny sain-ratsy, ny fahavetavetana, ny halatra, ny famonoan’olona, 22ny fijangajangana, ny fitsiriritana, ny haratsiam-panahy, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny fialonana, ny fiampangana lainga, ny avonavona, ny hadalana. 23Izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin’ny olona, ary ireo no mahaloto azy.”

24Niala teo Izy ka lasa nandeha tany amin’ny faritry Tyro sy Sidona. Niditra tao an-trano iray Izy ary tsy tiany ho fantatr’iza na iza fa tao Izy, kanefa tsy afaka niery. 25Kanefa niaraka tamin’izay dia nisy vehivavy iray, izay nisy fanahy maloto iray ny zanany vavy kely, nandre ny aminy, tonga, ary niankohoka teo an-tongony. 26Ary Grika ilay vehivavy, Syro-foinika no niaviany. Niangavy Taminy izy mba hamoaka ny demonia hiala amin’ny zanany vavy.

27Hoy Izy taminy: “Aoka homen-kanina aloha ny zaza. Satria tsy mety ny maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an’ny amboa.” 28Nefa namaly izy ka nanao Taminy hoe: “Eny, Tompo, fa na ny amboa ao ambany latabatra aza dia mba mihinana ny sombintsombiny amin’ny mofon-jaza.”

29Dia hoy Izy taminy: “Noho izany teninao izany, afaka mandeha ianao. Efa nivoaka tamin’ny zanakao vavy ny demonia”. 30Ary raha niverina tany an-tranony ravehivavy dia nahita ny zaza nandry teo ambonin’ny farafara, ary ny demonia efa niala.

31Ary Jesosy nivoaka indray niala ny faritry Tyro, dia namaky an’i Sidona hatrany amin’ny Ranomasin’ny Galilia ka niakatra ny faritry Dekapolisy. 32Ary nentin’izy ireo teo Aminy ny olona iray marenina sady sahirana raha miteny, ary nitalaho Taminy izy ireo mba hametrahany ny tanany aminy.

33Nitondra an-dralehilahy nitokana niala teo amin’ny vahoaka Izy, dia nametraka ny rantsan-tanany tao an-tsofiny Izy, ary raha avy nandrora, dia nikasika ny lelany. 34Dia niandrandra ny lanitra Izy, dia nisento ka nanao taminy hoe: “Efata,” izany hoe: “Maladia!” 35Ary haingana teo ny sofiny dia nalady, ary izay namehy ny lelany dia potika ary afaka niteny mazava tsara izy.

36Ary Jesosy nandrara azy ireo tsy hilazalaza na amin’iza na amin’iza. Kanefa na dia norarana aza izy ireo, vao maika nampiely izany bebe kokoa. Dia gaga tanteraka ny olona, ka niteny hoe: “Nataony tsara daholo ny zavatra rehetra. Nataony mandre aza ny marenina ary miteny ny moana.”

37

Copyright information for PltULB